Dikan'ny teny : zana-tsindrife

Hampiditra dikany vaovao
1 zanaky ny mpanompovavy tamin'ny tompolahiny. / Zanaka antrano: zanaka tsy nateraka fa velomina sy karakaraina toy ny zanaka. / Zana-bantony: ny zanaka nateraka voalohany. / Zana-baratra: enti-milaza ny zanaka na zaza notezaina, nefa tsy mahay mankasitraka ary manisy ratsy indray aza aty aoriana. / Zana-bohitra: vohitra kely. / Zana-bola: ilazana ny vola aloan'ny mpisambotra ambonin'izay nosamboriny. / Zana-dandy: soherina avy amin'ny landy. / Zana-dreniny: ilazana ny zaza zanaky ny vehivavy efa miandoha ho lehibe. f Zanakalo: olona hafahafa, sarotsarotiny. / Zanakazo (jer. io teny io). / Zanak'entana: zavajavatra amponosana manampy ny tena entana entina. / Zana-tany: ny teraka tao amin'ny tany niaviany. f Zana-tefY: ny zaza entin-drainy manaraka azy eny an-tsaha ka miara-misakafo aminy nefa tsy mba niasa akory. / Zanatohatra: ny hazo mitsivalana amin' ny renitohatra. / Zana-tsipika: hazo marani-doha alefa amin'ny tsipfka. / Zana-tstrika: hazo noranitina ka nofehezina volomborona madinika ny tapany mba hitsoriahany rehefa alefa ao anatin'ny renitsfrika. / Atao zanaky ny maty: enti-milaza olona tokony mba hotiavina, nefa toa hadinoina na tsy izarana soa. / Mivolo zanaka: enti-milaza ny ray aman-dreny izay miangatra amin'ny samy zanany na zana-kavany. / Mampihanta zanaka:mampanaram-po ny zanaka. * Ohab.: Manao zanaka anaty fo maharary: enti-milaza ny ray aman-dreny miangatra amin'ny zanany naterany, izay heveriny ho hany mahalala mangixifiry, fa ny an'ny hafa tsy ahoany na kely akory aza. / Tsy misy mamy ohatra ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika: enti-milaza fa na dia izay tiana lndrindra aza, raha tafahoatra ny toetra asehony dia akipaka. ΒΆ M.h.: Nateraka, silaky ny aina, sombin'ny aina, menaky ny aina, naloakan'ny kibo. Hevitra iray tarika: Zana-drahalahy, zana-drahavavy, zanak'anadahy, zanak'anabavy, tsy omby kibo, solo, solofo, dimby, taranaka, teradRanona, zaza navelan-dRanona, zaza natsangana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel