Dikan'ny teny : Abidy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fitambaran'ny tarehintsoratra misy amin'ny fitenim-pirenena iray: Misy tarehintsoratra iraika amby roapolo amin'ny abidy malagasy: a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z. / Ny fotopototry ny zavatra na ny fahaizana iray, ny anton-javatra resahina na lazaina: Miteniteny momba ny baomba atomika Rangahy io, kanefa tsy mahalala ny abidin'izany akory. Ny ambaratongam-pianarana ambany indrindra ianaran'ny ankizy manambatra tarehintsoratra, manao bi-a-ba: Efa kilasy fahafiry izao ilay faralahinao? — Mbola ao amin'ny abidy ny anao. Tsy mahay abidy; tsy mahalala abidy: tsy mahay taratasy, tsy mahay bi-a-ba, tsy mahalala na inona na inona. / Abidy mifandika: zavatra mifandingana be ihany./ Abidy samy hafa: zavatra tsy mitovy velively, tsy mifandray lany tendro, samy ma-nana ny antony, sasanangy samy hafa.
Correction from Giovanni Razanadrahona: a.: Fitambaran'ny tarehintsoratra misy amin'ny fitenim-pirenena iray: Misy tarehintsoratra iraika amby roapolo amin'ny abidy malagasy: a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, 1, m, n, o, p, r, s, t, u, y, z. 1 Ny fotopototry ny zavatra na ny fahaizana iray, ny anton-javatra resahina na lazaina: Miteniteny momba ny baomba atomika Rangahy io, kanefa tsy mahalala ny abidin'izany akory. 1 Ny ambaratongam-pianarana ambany indrindra ianaran'ny ankizy manambatra tarehintsoratra, manao bi-a-ba: Efa kilasy fahafiry izao ilay faralahinao? — Mbola ao amin'ny abidy ny anao ho: f• P•: Tsy mahay abidy; tsy mahalala abidy: tsy manas( taratasy, tsy mahay bi-a-ba, tsy mahalala na inona na inona. 1 Abidy mifandika: zavatra mifandingana be ihany. 1 Abidy samy hafa: zavatra tsy mitovy velively, tsy mifandray lany tendro, samy ma-nana ny antony, sasanangy samy hafa.

Fitadiavana teny


Cancel