Dikan'ny teny : Dia

Hampiditra dikany vaovao
1 p.mt. : Atao anelanelan' ny teny miverina indroa mba ho fanamafisan-kevitra : Soa dia soa, • ppt.: Mitovy amin' ny sy na ary : Nitsangana izy dia niteny. • Kian-teny fampiasa : a) Mba hampitohy fehezan-kevitra roa raha lasa aloha ilay fehezan-kevitra miankina : Nony tonga izy dia niteny hoe.., b) mba hampitohy indraindray ny teny enti-milaza amin'ny teny lazaina : Rakoto dia mpianatra mazoto. Ahitsio
2 p.t. : Enti-milaza : Olona mivelona any anaty ala na any an'efitra ka tsY mahalala ny fomban'ny olona mandroso : Mbola misy olona dia, hono, amin'it? faritany US'? • Biby na zavamaniry tsy ompiana na ambolena fa velona na maniriniry ho azy fotsiny eny : Mahafinaritra ahy it? voninkazo dia / Tonga dia ilay sakanay. Ahitsio
3 a. : Ny halavan'ny felatongotra : Lava dia ny lehilahy noho ny uehivauy. 1 Halavan-drefy miantomboka amin'ny voditongotra ka miafara ery amin'nY loharantsana (irain-jehy sy voatondro roa na ampahatelon'ny metatra eo ho eo) : Telo dia ny halauan'it9 hazo fisaka • Fandeha ataon'ny olona na ny biby amin'ny fampifandimbiasana ny tongotra roa mifanongontsongona hatrany : Hafaingano ny dianao fa diso fotoana isika. • Fandehahana, fivahiniana : Dia la-vitra izay nataonay androany izay. • Soritra navelan-javanandalo : Misy diam-pihogo ny uolony. • Andiana, antokon'olona na bibY miaramandeha : Nozaraina natao telo dia ny miaramila. - t.i.f. : Diavina, voadiadia / mandia, fandia, mpandia / andiavana, fandiavana. - F.-p. : Diam-panorona : sary misy tsipika mifanapatapaka tahaka ny sora-panorona 1 Dia tsy manina : fandehan'nyolona tsy mananjavatra hovonjena fa milaika dia milaika. / Iray dia marenina : enti-milaza olona na biby marobe miaraka. / Ma dia dia be : mandeha miaraka maro l Manao dia mianotra. / Manao dia miverina : mamindrafindra ny tongotra saingy tsy mandroso fa mihemotra, mandroso miaoriana. / Manary dia : manao izay tsy hieritreretana zavatra iray manahirana na manorisory ny sain. / Manisa dia : mandeha miadana dia miadana. / Manoha-dia : mitady hitovy amin'ny..., maninana. / Miara-dia: mandeha miaraka maro. / Miasa dia: mande-ha mandroso sy miverina. / Mitsongo dia: manaraka amim-pahakingana sy faharetana ny nalehan'ny olon-dratsy iray. / Sokoin'ny dia: enti-milaza zaza adalan-dia, ta hanaraka izay olona rehetra mivoaka ny trano. / Sola manararlia: enti-milaza an'ohatra ireo olo-mahantra zokiolona izay tsy mitarika fa ataon'ny olona mpanaraka manjohizohy avy aoriana fotsiny. / Vary dia: tsy mifantoka amin'ny zavatra iray manahirana na manorisory intsony ny saina amana eritreritra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel