Dikan'ny teny : mandeha

Hampiditra dikany hafa
(leha) mt.s. (mandehana): Mamindra toerana ny vatan-tena amin'ny famindrafindrana ny tongotra: Tsy mbola afaka mandeha ny marary. / Efa miana-mandeha ny zafikeliko. ? Mizotra: Nandeha tamin'ny arabe izy fa tsy nihazo ny lalan-kely akory. 1 Miala, miainga: Ton-gava maraindraina fa amin' ny fito aho no handeha. ~ Mandalo: Nandeha tany antsena aho aninaraina. 1 Mihelina,miserana:Mandeha haingana ny andro rehefa ririnina ~ Mihetsika ara-dalàna ny milina ao aminy: Mande-ha ve iny famantaranandronao iny? ~ Mandroso: Mandeha ve izao varotrao? - F.•p.: Mahaleha lalana: enti-milaza ny zaza efa afaka mandeha any amin'izay toerana haleha. / Mandeha na-na; mandeha ra: ilazana ny fery na ratra mivoaka nana na mivoaka ra. / Mandeha tsy voizina: ilazana ny lakana kely izay manaraka fotsiny ny rano mivalana na tsofin'ny rivotra fa tsy ilaina hovoizina akory. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0066