Dikan'ny teny : mifanena

1. (tsena) mt. pf. (mifanen?): Mifankahita sendrasendra toa nitsena ny iray ny iray; miara-tonga amin'ny toerana iray, mifanojo, mifanehatra: Nifanena teny andalana izahay sy ny mpampianatra anao. Ahitsio
(10/03/2017 20:44 - Nampidirin'i hery)
2. Somary teny sarotra rasaina izy ity ary betsaka ny ankizy ankehitriny no sahirana rehefa tojo laza adina. "Tsena" no fototeniny raha atao ny fandrasana. Toy izao: M/-if-an-(ts)-ena N/ H/ Hasin-teny: M=Filazam-potoana telo lafy mariky ny ankehitriny If=Tsofoka fanatevenana tovona vakiny tsy miova An= Tovona tsy mivaky Tsena= Fototeny mingadona *NB: Rehefa anaty fono-teny izy dia milatsaka no dikany Ahitsio
(26 andro lasa - Nampidirin'i ZavonaRakoto)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0099