Dikan'ny teny : Roranga

Hampiditra dikany vaovao
1 (Btm) a.: Tanety rakotra bozaka. RORANGA dia antsoina hoe CLAIRIERE . Toerana mangadihady amin'ny toerana Rakotra Ala mikitroka, no famaritana azy. Fahita any amin'ny faritra be ala mikitroka, toy ny amin'ny Tagnala. Toerana ao anaty ala mikitroka tsy misy hazo maniry voajanahary azon'ny mponina ampiasaina io toerana io. ohatra: Any Ifanadiana dia misy toerana antsoina hoe : ANDRORANGAVOLA. Mbola feno ala mikitroka tany taloha, asa ankehitriny. Very ny maha roranga azy rahefa ripaka ny ala manodidina azy. NB: Mety feno bozaka ny roranga fa tsy misy hazo mijoalajoala anatin'ny ala mikitroka. Matetika dia toerana mangadihady tsy misy bozaka. NB: ny tanety midadasika tsy tazamaso ,feno bozaka indray dia steppes. NB: raha toa ka efa tsy misy ala intsony manodidina ny roranga dia tsy antsoina intsony hoe roranga. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel