Dikan'ny teny : Saina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fitaovan'ny fanahy ahafahany mahazo, mahalala: Tsy manan-tsaina ny biby ka tsy mahazo izay lazaina aminy. / Marani-tsaina itY zaza ity. • Eritreritra: Tsy tonga tao an-tsaiko izany. • Fitsarana zavatra: Tery saina ianao izany. - t.i.f. : Sainina, voasaina / m?saina, fisaina, mpisaina / isainana, fisainana / mahasa?na 1 saintsaina. - f.-p.: Ary saina, uory saina: afaka mandinika sy mihevitra ny tokony hatao. / Be saina: ampy fiheverana, tsy atoro amin'izay fialana olana, fa hendry sy be hevitra — (hevitra maneso): entimilaza olona mihevitra ny tenany ho mahay noho ny ha-fa ka tsy milefitra ary manao ny sasany ho tsinontsinona. / Haingan-tsaina: mahadinika avy hatrany ary mahatakajavatra eo no ho eo. / Kely saina: (jar. marivo saina). / Latin -tsaina: mahataka-javatra amin'izay mbola hiseho sy izay vokany. / Mahatsiaro saina: enti-milaza olona vao avy safotra ka manomboka hahalala ny mahazo azy sy ny manodidina azy. / Mahira-tsaina: mahataka-kevitra avy hatrany. / Mamonkintsaina: ilazana ireo izay tsy mba mety manambara ny heviny na dia fantany aza ny antony, fa aleony tsy mamosaka na inona na inona. / Manampa-tsaina: ilazana ireo mampiseho hafetsena tafahoatra hahazoana miala olana. / Manan-tsaina: afaka hahatakatra hevitra mora foana; na mora mahay zavatra ianarana. / Manao saina: enti-milaza fampiasana tetika hahazoana misafelika amin' izay heverina. / Mandevintsaina: tsy be teny amin' izay heviny fa mangina tanteraka. l Manolo-tsaina: manoro hevitra na mampiseho izay heveriny ho mety amin' ny tokony hatao. / Maranitsaina: mahataka-javatra sy haingam-piheverana amin'ny mety hatao. / Marino saina: tsy mahadinika firy, sady tsy ampy fisainana fa misafosafo fotsiny. /Melo- tsaina: man odinko din-tsaina ary misy familiviliana amin'izay atao./Miari-torin-tsaina: manao izay hampahazava ny hevitra ifandinihana na dia hamoizana ny torimaso aza. / Miki saina na maha saina: mieritreritra sy mandinika tsara ary manadihady sy mila hevitra amin'izay hatao sy efa natao. / Misaratsaina: enti-milaza olona maro tsy miray hevitra fa misy fisarahana sy elanelana ara-piheverana. / Miuerin-tsaina: olona be tanna tsy mahafantatra izay tokony hatao intsony fa efa sa-hala amin'ny zazakely indray. / Samy manao ny saimpantany: samy manao izay heveriny ho mety. / Saimpotsy: fiheverana maivana sy ataotao fotsiny ary tsy ahitam-bokatra tsara. / Saindratsy: fisainana mankamin' ny zava-tsy mendrika ary toetra maharikoriko. / Sain-jasa: fisainana fatra-panao trandrametaka sy peta-toko ary antematemaka. / Sainjaza maroroka: fisainana fatra-panao zavatra tsy voahevitra tsara. / Sain-kanina: saina tsy mihevitra afa-tsy ny hihinana ihany noho ny hatendana sy hasarotana. / Tery saina: olona tsy mba afaka manaiky hevitra ivelan'ny an'ny tena fa rehefa tsy mitovy amin'ny an'ny tena na mivoaka kely ivelany dia tsy leferina (mifanohitra aminy: malala-tsaina). / Very saina: tsy mahatsiaro tena hijery sy handinika ny manodidina, adala. l Votsa saina: ela vao mahazo izay lazaina na vao mahay izay ianarana. ¶ M. h.: Manan-tsaina, malady sains, kinga saina, haingan-tsaina, matsilo saina, mahiran-tsaina, malala-tsaina, la-va oroanana, marani-tsaina, mato-tsaina, manam-panahy, tangolo-tsopaka, laiin-tsaina, — Kely saina, fohy sains, tery saina, maivan-tsaina, maivan-doha, kely atidoha, mari-vo salosana, tanora fanahy, malady ofana. Ahitsio
2 (fr. enseigne) a.: Tapadamba misy tahony na hazony, izay natao fanevan'ny tafika tany am-boalohany, ary tonga famantarana ny firenena tat? aoriana amin'ny lokony samy manana ny azy: Ny saina malagasy dia fotsy, mena, maitso. - F.-p.: Manangan-tsaina; m am p id in- tsa in a. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel