Dikan'ny teny : Tehaka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fampikatrokatrohana ny felatanana roa entina manamarika ny fingadon' ny hira na ny hafaliana: Nirefodrefotra ny tehaka nony avy niteny izy. ? Fikasihana amin'ny tanana. 1 Famelezana amin'ny felatanana (jar. Tehamaina). - t.i.f.: Tehafina, atehaka, voatehaka, tinehaka / manehaka 1 mitehaka, fitehaka, mpitehaka / itehafana, fitehafana / mahatehaka / tehatehaka, tehatehafina 1 mahatehatehaka. * An-tehaka: enti-milaza fahasitranana haingana amin'ny fitsaboana indray maka monja. / Teha-dolo: ilazana aretina mampivonto ny hodi-maso tampoka, ary noheverin'ny Ntaolo fa voakasiky ny lolo na matoatoa na angatra no nahatonga izany. / Tehak'afo: fanosora-menaka ny felatanana izay atanina afo hafana tsara ka apetaka amin'izay maharary. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel