Dikan'ny teny : a

Hampiditra dikany vaovao
1 Tarehintsoratra ary zanatsoratra voalohany amin'ny abidy malagasy. Ahitsio
2 t.p, : Feo kely ampanarahina ny anaran'olona antsoina raha ankizy na olona tsy dia hajaina firy: 0 ry Koto a, ento aty ny famaky. •Enti-milaza fahatairana, figagana: A! hadinoko lahy ny nampandre an-dry dadatoa! ~ Entimiangavy somary mihanta ary manantitrantitra: Itondray mofo kely ange aho rehefa mankany an-tsena i neny; izany ange, ry neny a! Ahitsio
3 : Tovona fanaovana karazana matoanteny roa, dia: a) ny matoantenin'ny atao (mt. at. J, izay entina milaza ny hevitra hoe "atao" na "asaina" na "avela"...: Aato: asaina miato; ajaridina: avala hijaridina. b) ny matoantenin'ny fitaovana (mt. fit.), izay enti-milaza ny zavatra "entina manao" na "ampiasaina hanao" asa iray: Adaka: entina mandaka, adidy: ampiasaina handidy. Ahitsio
4 Endriky ny an na ana eo alohan'ny teny iray manomboka amin'ny m na n: Amorona (an-morona), anosy (annosY) Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel