Dikan'ny teny : adala

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala. M.h.: adala vatana, adala vendrais, adala raikitra, adala lefaka, adala lefy, very saina, foka, adala manondrana, mivadika atidoha, mivadika lakoraika, mivadika ondrana, manary lamba, manenjika alika, mihomehy rindrim-baky. ? h.o.: tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin'ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory. Tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka. Sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) na raha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity. Raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny. Matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan'adin'akoholahy ny zanako lahy aivo. Teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin'ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian'ny adala holazaina tamin'ireo teny ireo. i t,i.f•: adalaina, voadala/ manadala, fanadala, mpanadala/anadalana, fanadalana / miadaladala / iadaladalana, fiadaladalana / mihadala I mahadala I adaladala. ~ f.-p.: Manao adala matanjaka: enti-milaza olona manao an-kery, am-borivory. // Adala manara-bolana: rahefa tsinana ny volana no mihetsika ny hadalany. Ohab.: Ady amin'adala: ny manam-panahy no mandefitra: tsy tokony hiala-bara-tena sy handany andro foana hiady amin'ny kely saina ny olon-kendry, fa hihataka amim-pandeferana. // Adala nomen-tanan'ondry: na hosoloana hofany aza tsy mety: enti-milaza ireo miraikitra amin'ny tiany na ny heviny ka tsy azo ahodin-doha na zavatra tsara sy marina aza no atolotra azy. // Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body: enti-milaza ireo manambady vehivavy fatra-pirobaroba ka na mitahiry sy manangona ohatrinona aza, lany tsisy mijanona ny vidin-kasasarana.
Correction from : a.: Enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala. M.h.: adala vatana, adala vendrais, adala raikitra, adala lefaka, adala lefy, very saina, foka, adala manondrana, mivadika atidoha, mivadika lakoraika, mivadika ondrana, manary lamba, manenjika alika, mihomehy rindrim-baky. ? h.o.: tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin'ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory. Tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka. Sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) na raha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity. Raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny. Matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan'adin'akoholahy ny zanako lahy aivo. Teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin'ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian'ny adala holazaina tamin'ireo teny ireo. i t,i.f•: adalaina, voadala/ manadala, fanadala, mpanadala/anadalana, fanadalana / miadaladala / iadaladalana, fiadaladalana / mihadala I mahadala I adaladarla. ~ f.-p.: Manao adala matanjaka: enti-milaza olona manao an-kery, am-borivory. // Adala manara-bolana: rahefa tsinana ny volana no mihetsika ny hadalany. Ohab.: Ady amin'adala: ny manam-panahy no mandefitra: tsy tokony hiala-bara-tena sy handany andro foana hiady amin'ny kely saina ny olon-kendry, fa hihataka amim-pandeferana. // Adala nomen-tanan'ondry: na hosoloana hofany aza tsy mety: enti-milaza ireo miraikitra amin'ny tiany na ny heviny ka tsy azo ahodin-doha na zavatra tsara sy marina aza no atolotra azy. // Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body: enti-milaza ireo manambady vehivavy fatra-pirobaroba ka na mitahiry sy manangona ohatrinona aza, lany tsisy mijanona ny vidin-kasasarana.

Fitadiavana teny


Cancel