Dikan'ny teny : adidy

Hampiditra dikany vaovao
1 (didy), mt. fit. (adidio): Entina mandidy, ampiasaina handidiana: Aza dia ny vohon'antsy re no adidy it? voasary e!. Ahitsio
2 a.: Zavatra tsy maintsy atao takin'ny raharaha iandraiketana, ny toerana misy ny tena na ny fifandraisana amin'ny hafa: Adidin'ny mpitondra ny mifehy tsara ny firenena sy manao izay hampanan-karena ny tany. / Tsarouy fa adidinao manankanaovana ny manampy ireo fadiranovana. ¶ M.h.: henatra, andraildtra. • Tsiny, soketa: Manana adidy ianao raha manao izany. • Zavatra ekena hatao mba ho fanasoavana ny hafa: Ny adidy tsy an'olon-dratsy. - f -p.: Mandray adidy / manao adidy / manefa adidy / miantsoroka adidy: manatanteraka adidy tsy maintsy atao; Miamboho adidy: tsy manao na mandositra adidy. * Ohab.: Adidinao tsy namangy, fa ny aretiko sitrana ihany: ianao no mahazo tsiny amin'ny fihavanana noho ny tsy nitsidihanao ahy narary, fa izaho it? sitrana ihany. / Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy: saika izay miseho ho mahavita ihany no voatsinin'ny maro matetika. / Ny toko no tapaka ka ny aampanan-dalana no manana adidy: enti-milaza ny olona manome loza ny hafa, nefa ny nataony ihany no nahavoa azy. / Potsitra ny maso: adidin'ny loha; fotsy ny uolo: adidin'ny loha; banga ny nify: adidin'ny loha: ny loham-pianakaviana, ny mpitondra no manana ny tsiny amin'ny fahavoazan'ny olona entiny avy. ! Vaua soa sakafo, teny ratsy adidy: ny teny mora mahatsara fihavanana fa ny vava ratsy kosa itondrana heloka ka maharatsy fihavanana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel