Dikan'ny teny : ahitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Bozaka maniry: Maniry ahitra ny tokotany fa diouy tsara. - E-p,: Ahi-maitso: ahitra maitso milenodenoka (ny ahitra dia mipoitra isan-taona, ka amin'izay izy maitso aoka izany, na raviny na tahony, fa mandazo kosa rehefa afaka herintaona); bozaka aman'ahitra: ny zaza amam-behivavy, ny sarambabem-bahoaka, izay atao koa hoe valala tsy mandady harona; mitapatapaka ahitra: miara-midinidinika momba ny zavatra iray; miraoka ahitra: enti-milaza ny biby mamivitra ny ahitra amin'ny vavany; h.o.: olona sahirana izaitsizy mikarokaroka izay hevitra hahafahana amin'ny fahasahiranana; mamikitra ahitra irery: enti-milaza olona maty na mijaly irery tsy misy mpanatrika; mahavotra ahitra: matahotra mafy. Ahitsio
2 a.: Hoditra ifonosan'ny zaza ao an-kibon-dreniny, izay atao hoe koa tauony na zandrin-jaza. (Araka ny fomba malagasy, ny ahitra dia mazàna alevina rehefa teraka ny zaza, ka tsy mahazo miherikerika izay man-devina azy). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel