Dikan'ny teny : aina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny mahatonga ny zavatra ho velona: Ny aina tsy afaky ny tompony. / Ny rivotra fohina sy avoaka mariky ny fahavelomana: Mideza loatra ilay fiakarana ka njanona kely naka aina aho fa sempotra. / Hery sy fahatanjahana: Be aina. / Tsy mahazaka an'io entana io Ikoto fa kely aina. / Manana aina izany raha olona. - t.i.f.: miaina, fiaina, mpiaina I iainana, fiainana / mampiaina, fampiainana. - F.-p.: Matta aina: miala janoua kely mba hampitombo ny hery; mahazo aina: sala-ma; mahatsiaro tena ho matanjaka, mitombo, mihavory nofo; miala aina: eo amin'ny fotoana ahafatesana; manao an'aina: manampatra ny ai-na, tahaka ny tsy mampiasa saina handinika na hitandrina fa manezakezaka fotsiny amin'izao; mikely aina, manao izay tratry ny aina: mikezaka mafy, manao izay azo atao rehetra; miferitra ai-na, miferinaina: mijaly ampanahy izaitsizy; manao aintsy ho zauatra, manao t'y uery ny aina, mitono aina, miuarotra aina: tsy miraharaha ny ho faty mba hahazoana zava-tsoa iray kendrena; menaky ny aina, sombin'ny ai-na, silaky ny aina: teny ilazana am-pitiavana ny zanaka na ny olon-tiana na iza na iza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel