Dikan'ny teny : akaiky

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy lavitra: Aza matahotra ianao fa akaiky ihany nr tranonay. ? Antomotra na akaiky ara-potoana: Efa akaiky itv ny fanadinana, rankizy, ka mikezaha mafimafy kokoa indray. ? ppk.: Anila, ankila: Mipetraha eto akaikiko ianao. *Mi-. mifanolotra, mifanolobodirindrina: Akaikin'ny tranonay ny fonenany. ~ Tsy lavitra ara-pihavanana: Akaiky anay kokoa Rakoto noho ianao, satria zanak'olo-mpirahalahy izahay, fa isika kosa mbola zafin'ny mpianadahy. 1 t.i.f.: akekena, akekezina 1 manakaiky, fanakaiky, mpanakaiky / anakekezana, fanakekezana / mihakaiky 1 mampifanakaiky /ampifanakaikezina. - F.-p,: Akaiky jerena: ilazana toerana izay toa akaiky raha tazanina, nefa lavitra rehefa aleha; lauitra akaiky: ilazana toerana izay akaiky ihany raha alaina an'eritreritra na tombanana atao toratady, fa ny lalana mankany no lavitra; mamely akaiky: mamely olona eo akaikin'ny tena amin'ny safeli-teny; mandry akaiky: miala man-dry nefa tsy lavitra ny tranon'ny tena (avy amin'ny ohab. hoe: Mandry akaiky ohatra ny menaka). * Ohab.: Ny akaiky vilany feno arina: izay tratra antso no mahazo fahasahiranana rehefa misy ilana fanampiana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel