Dikan'ny teny : akanga

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Karazam-borondia izay mipentimpentina mainty sy fotsy ny volony ary fatra-piara-dia maro ka saxotra vakina. ~ h.o.: Enti-milaza olona fetsifetsy sy fangoloka amin'ny halatra sY ny fanambakana. - t.i.f.: akangaina / manakanga, fanakanga, mpanakanga / anakangana, fanakangana / miakanga, fiakanga, mpiakanga / iakangana, fiakangana. - F.-p.: Akangalahy ankoua: ny tena be no tsy eo, fa ny saina amam-panahy miray amin'ny maro manatrika ihany; akanga reraka: vehivavy nalaza fahiny tamin'ny hatsaran-tarehy fa tsy misy mpijery intsony nony antitra; akanga tsy roa uolo: teny nentin'Andrianampoinimerina hilazana ny tany sy ny firenena anjakan'ny fandriam-pahalemana; akanga tsara soratra takaloxana ny akoho taman-trano: zavatra marevaka ivelany anariana zava-tsoa maharitra; akanga sisa nanamborana: enti-milaza olona sisa velona amin' ny maro niaraka fahizay M.h.: Tapa-porohana sisa tsy may. * Ohab.: Akanga maro tsy uakin'amboa: ny firaica,na no hery. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel