Dikan'ny teny : akora

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Antsoantso mafy, mety ho mari-pifaliana entina mihoby na midera, na ho mari-panesoana entina mandatsa na manebaka. t.i.f.: Akoraina, voakora / manakora, fanakora, mpanakora ) anakorana, fanakorana. Ahitsio
2 a.: Fonom-biby na fonon-javatra, fotsifotsy, mafy, mitovy toetra amin'ny sokay, izay miforona avy amin' ny zavatra mandrakotra ny biby ihany: Ny akoran'ny sifotra, na avy amin'ny zavatra haniny: Ny akoran'atody. Ahitsio
3 (Ski) a.: Sifotr'ala. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel