Dikan'ny teny : akory

Hampiditra dikany vaovao
1 p. rat.: Fanontaniana toetoe-javatra: Akory ianao: manao ahoana ianao? - F,-p.: Akory izato izy: mitovy amin'ny akory ianao; / manao akory: miarahaba; / mifanao akory: mifampiarahaba; / tsy akory: fanamafisana bebe kokoa ny fandavana: Aza miantehitra aminy ianao fa tsy ho avy izy tsy akory; / tsy ,.. akory: tsy velively, tsy ... na kely aza: Tsy fantatro akory izay lazainao; / akory hatao: enti-milaza tsy fahitana hevitra na zavatra hafa hatao intsony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel