Dikan'ny teny : ala

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fitambarana hazo ma-ro be miara-maniry mandrakotra toerana iray malalaka. 1 t.i.f.: mianala, mpianala. - F.-p.: Ala mazaotra: ala manifinify fa efa nakana hazo maromaro; I ala mikirindro: ala mbola matevim-be, mikitroka; I ala ngetroka: ala matevina; l ala tsy uaky lay: ala tsy mbola nisy nandia; I ala fady: ala misy fasana na toerana masina tsy azo diavina; / kirihitr'ala: hazo madinika maro, mitambatra ho a-la kely; / ala ihirizana: olona fitokiana hiaro ny tena: lanao no kitro ifaharana sy ala ikirizana. Ahitsio
2 a.: Fakana, fanesorana. ? Fiaingana amin'ny toerana iray mba ho any amin'ny toeran-kafa. - t.i.f.: alana, voala, tafala / manala, fanala, mpanala / analana, fanalana / miala, fia-la, mpiala / ialana, fialana / mahala. - F.-p,: Ala alahelo: zavatra amena na teny atao mba hampionona amin'ny alahelo mahazo; I ala andro: zavatra atao mba tsy hahatsiarovana ny fahelan'ny andro; 1 ala baraka: fampietrena ny voninahitra; I ala fady: vola na zavatra zaraina amin'ny olona nandray anlara tamin'ny fandevenana; / ala faditra: fombafomba entina misoroka na manaisotra ny ratsy (vintandratsy, mosavy, fanahy ratsy) sy ny loza mety haterany; 1 ala fo: fanomezana fahafaham-po; / ala fotaka: sakafo na fifaliana atao rehefa vita ny ketsa na aorian'ny raharaha manahirana iray; / ala hamohamo: zavatra atao hampihomehy mba hanalana disadisa ny tena; / ala hazakazako: fifaninanana hazakazaka; I ala hetaheta: fampitonena ny faniriana te hisotro zavatra takin'ny toetena; / nia janona: fiatoana eo ampovoan'ny raharaha na eo antenatenan'ny dia atao; / ala liano: fanaovana izay hampitony fitiavan-javatra na fanirian-javatra iraY; / ala londona: fihintsanan'ny vony rehefa vonona ny voany; / ala loza: fombafomba atao amin'ireo mivady mpihavana mba hisorohana ny loza mety hahazo azy; I ala mandry: tsy fatoriana any an-tokantranon'ny tena fa any ivelany; / ala mosauy: fanandramana kely amin'ny hanina aroso na amin'ny zavatra a-tao fanomezana, eo imason' ilay olona amena azy, mba hampahatoky azy fa tsy misy mosavy ilay zavatra; 1 ala nenina: fanaovana izay rehetra azo atao mba tsy hisian' ny nenina any aoriana; / ala olana: famahana tady mifadiditra; h.o.: fanamboarana toe-draharaha sarotra na manahirana;l ala ondrana: fombafomba analana ny sampona raha misy mivady mpihavana akaiky; / ala ratsiaina: fanomezana vehivavy bevohoka izay zavatra tfany mafy hohanina; / nia rohana:(jer. ala uoly); / ala safay: fanaovan-javatra tsizarizary mba hisehoana ho nanao fotsiny ka hahafa-tsiny eo imason'ny olona; / nia sasatra: fijanonana eo ampovoan'ny raharaha mba hahafahana maka aina; / ala tsahatra: (jer. ala sasatra) / ala saron-tandroka: teny atao aloha mba ho fialan-tsiny; / ala tsiny: fanadiovantena amin'izay rehetra heverina fa mety hahadiso amin' ny fanaovana azy; / nia vaua: fanaovana teny mamy izay matetika tsy arahin'asa; / ala vintana: fombafomba entimanala ny loza mety hateraky ny vintan-dratsy na ny vintana mahery; / ala vizana (jar. nia sasatra); / ala uoady: fanatanterahana ny voady natao; I ala uoly: fihetsiketsehana mba hanalana ny volivoly amin'ny tena vokatry ny havizanana; h.o.: fandehanana eny ambanivohitra mba haka rivotra; I ala volon jaza: fombafomba arahina amin'ny fanapahana ny volon-jaza voalohany raha vao mandray telo izy; / ala voninahitra: Oer. ala baraka); / ala vonkina: fanamparana ny fo, ny hatezerana amin' ny hafa, amin'ny naman'ilay namely ny tena noho ny tsy nahazoana namely azy; / ala uory: fanalana ny totovory amin'ny basy. Ahitsio
3 (la), mt. fit. (alavy)` Entina manohitra; ampiasaina mba hanoherana: Alauy ny heui-diso ny fitanana ny marina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel