Dikan'ny teny : alahamady

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Anaran'ny volana voalohany amin'ny filaharan'ny volana malagasy merina alohan'ny Adaoro, ka ny toerana nomena azy ao an-trano dia eo amin'ny zorony avaratra atsinanana, izay antsoina koa hoe zorofirarazana. 1 Fanandr.: Natao ho andron'Andriana ny Mahamady, ary noheverina ho vintan'andro maha-mpanjaka; ny vintan'Alahamady kosa, araka ny fanandroana dia toy izao: Vaoany: mahery ka alam-bintana andrao misavika ny andriana, ka raha ankohonan'ny Andriana dia avoaka tsy miara-mitoetra aminy; vontony: mitahiry amponga telon-jehy atao ho azy; miompy gisa alahamady, gisa fotsy mivady, dia tratra antitra ny olona teraka amin'io, na lahy na vavy; uodiny: tsara, lasan-ko lehibe sy hanan-karena mety ho tratra antitra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel