Dikan'ny teny : alakamisy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantarantrano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandxy zomà vao alevina. ~ Anaran' ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. Ahitsio
2 a: Hazo anaovana fanafody (Cratseva excelsa). Ahitsio
3 a: Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina (Birasaia nigrescens). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel