Dikan'ny teny : alakaosy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Anaran'ny volana fahasivy amin'ny filaharan' ny volana malagasy marina, aorian'ny Alakarabo ary alohan'ny Adijady, ka ny toerana nomena azy tao an-trano fahiny dia eo amin'ny lafindrindrina andrefana, ilany avaratra. Ny vintana Alakaosy no noheverina ho mahery indrindra, atahorana hanoto izay mitatao azy: zaza manoto ray aman-dreny, mpanompo manoto tompo. ? Fanandr.: vavany: manoto ray aman-dreny, ka ahohoka; fa raha tsy ahohoka ka alambintana, dia tratra antitra, lasan-ko lehibe, mpanankarena Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel