Dikan'ny teny : alika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Biby fiompy mampinono, mpihina-nofo, avo dia, lehibe noho ny saka, lava sofina sy vava, ary somary la-va vatana kokoa (amin'ny ankamaroany, satria maro karazana ny alika). Ny feon' alika dia atao hoe uouĂ´ na mivoub; indraindray izy mivovo na mitaraindraina lavareny mandritra ny alina: mitomany valala no filaza azy amin'izay. Na dia mitovy ihany aza ny nantsoin'ny Ntaolo tamin'ny hoe alika sy amboa (fer. Amboa), ny hoe amboa dia mihajahaja kokoa taminy. 1 h.o.: Olona ratsy toetra na vetaveta tsy mahalala menatra: Alika izany raha zaza na Tsy alikan'izay zaza izany!. i Li. f.: alikaina, voalikalika 1 manalika, fanalika, mpanalika ( analikana, fanalikana / mialikalika, fialikalika, mpialikalika / ialikalikana, fialikalikana / mahalikalika / mihalikalika, alikalika. Karatan'alika? Alika mata: enti-milaza zavatra na olona mahasosotra izaitsizy: Andeha mandeha any ilay alika maty it?; alika izany! a!ika ilay Rangahy iny k'it?!: mba te-na mampitolagaga izany! Famantsy na mahay ilay Rangahy iny k'it?! Ahitsio
2 na Aliktilika (ity faharoa no fampiasa kokoa) a.: Fisehoana ho sarotsarotiny, miangentsangentsana, mitsingintsingina. - t.i.f.: Mialikalika, fialikalika, mpialikalika / ialikalihana, fialikalihana / mahalika - hka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel