Dikan'ny teny : alina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fotoana tsy anazavan'ny masoandro ny tany, izany hoe hatramin'ny ilentehan'ny masoandro ka hatramin'ny iposahany indray ka itankizinan'ny tany ao anatin'ny haizina: Tonga ny alma: indreny mimpendrampendrana ny kintana eny amin'ny lanitra ~ h.o.: haizina: Ao anatin'ny alin'ny tsy fahalalana. lany andro, very fotoana, tratra aoriana: Alina foana eo ianao raha hiandry azy, - t.i.f.: alinina f manalina, fanalina,, mpanalina / analinana, fanalinana / mialina, fialina, mpialina / ialinana / ialemana, fialemana 1 halemana, fahalemana / mahalina, mihalina / halina, rahalina / mamatonalina, - F.-p.: Anio alma: teny ilazana ny alin'ny andro iresahana; j alin'iny, alin'io andro io: ilazana ny alin'ny andro resahina na tenenina; / raha alma: amin'ny alina: Mitondra fanala ny olona moka dokotera raha alina;'/ mhalina: anio alma: Hovitaiko rahalina it? osa it?; / halina:tamin' ny alma farany tao: Nisy nitoraka ny tranonay halina; / ali-mainty: alina maizim-bolana; / alim-pahana: fotoana ipetrahan'ny fahana ao anaty basy — fotoana iomanana sy ikenonkenonana alohan' ny fanasana; /alim-pito: alina maizina dia maizina; / alim-pody: alfna foana vao mody an-trano; / alin-dratsy: alin'ny andro voalohany amin'ny Fandroana izay odian'ny vady misintaka ao anyokantrano indray; / alindroa: indray alma sy indray andro lanina amin'ny torimaso; / alin-kely: toetr'andro manjombonjombona noho ny setroky ny mpanao tevy any an'ala; alin-taona: entimilaza ny voankazo maharitra hatramin'ny tonon-taona manaraka, na ny voankazo malady masaka, alohan'ny fahataperan'ny teo aloha; / mandraka alma: miasa na manao zavatra mandritra ny alina manontolo ka tratran' ny maraina; / manao alindroa: matory indray alma sy ny andro manaraka an'iny; / manao latsaka alma: mangalatra mandritra ny alina; / misaina alina: mieritreritra lava mandritra ny alina fa tsy matory; / miuoaka alma: entimilaza ny mpamosavy. Ahitsio
2 p.i.: Arivo folo na arivo impolo; raha atao tarehimarika, dia 10.000: Dimy ariuo sy telo alma ariary no uidin' it? tany it?. - t.i.f.: alinalina, mpanalina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel