Dikan'ny teny : ambadika

Hampiditra dikany vaovao
1 ppk.: Enti-milaza ny toerana ao ivohon'ny zavatra iray: Miery ao ambadiky ny hazo ao izy, ~ F.-p.: Tany ambadik'Imanareza: enti-milaza zavatra nitranga efa ela dia ela ka tsy hita izay hiraharahana azy intsony. Ahitsio
2 a.: Karazana diamanga na daka, mitovitovy amin'ny kapatokana (jar.): mihodina tampoka ilaY namely, amin'ilay tsy ampoizin'ilay mikatroka aminy iny, dia alefany any andamosina ny tongony - indraindray ny felatanany amin'izay mitehina amin'ny tany - ka mafy fiantefa izaitsizy izany, manoatra noho ny tsipaka anoloana na ny kopala. - F.p.: Mamely ambadika: mamely am-pitaka; mamadika. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel