Dikan'ny teny : ambaka

Hampiditra dikany vaovao
1 na Ambakavaka ft.: (It? faharoo it? no fampiasa kokoa): Fiambatrambarana na fiakanakanana rehefa miteny ka tsy mahatohy izay lazaina raha tsy miatoato kely hatrany. - t.i.f.: miambaka, fiambaka, mpiambaka / iambakana, fiambakana. Ahitsio
2 (Tsm) a.: Fomban-tolona omby atao toy izao: ny tanana havanana mitazona ny trafony ary ny havia kosa manodidina ny vozony. Ahitsio
3 ft.: Fifetsena, lainga hamitahana ny tsy mahalala, tetika hangalarana mba hahazoana tombony, na amin'ny varotra na amin'ny lalao. - t.i.f.: ambakaina, voambaka / manambaka, fanambaka, mpanambaka / anambakana, fanambakana. Ahitsio
4 noho p.mt.: Latsadanja, ambany, tsy mahaleo, tsy tsara, tsy mahay: Ianao ue dia ho ambaka noho ny zandrinao? ~ Tsy ambaka noho: tsy latsa-danja, mitovy na tafahoatra kokoa no-ho: Tsy ambaka noho ny teny hafa ny teny malagasy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel