Dikan'ny teny : amboa

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Biby mampinono, homan-kena, mizara ho karazana telo: mpiandry tanàna, mpihaza, mpanjohy ny olombelona. Mety ho velona hatramin'ny roapolo taona ny amboa; ny filaza ny feony dia ireto avy: rniuoud, minaonaona, mitomany ualala. Ny amboa dia lazaina koa hoe alika, izay fampiasan'ny olona matetitetika kokoa ankehitriny, nefs ny amboa no tena malagasy hiringiriny, ka ny ahatsapana izany dia ny habetsahan'ny ohabolana misy ny teny hoe amboa, izay bebe kokoa noho ny izay ahitana ny teny hoe alika. 1 t.i. f.: amboazina / manamboa, fanamboa, mpanamboa / anamboazana, fanamboazana. - F,-p.: Maty amboa, resy amboa, velona amboa: entimilaza ny olona notsaraina fahagola tamin'ny fampinomana, saingy tsy ny tena no nampisotroina tangena fa amboa izay natao solon'ny tena; koa raha maty na resy io amboa io dia resy ilay olona, ary raha velona ilay am-boa dia velona ilay olona; / manao amboa ditsika: miezaka manao izay tratran'ny aina, manao an-jamba; / am-boa fitrika: olona tsy manjary, tsy vanona. ¶ M.h.: katritra, batritra, tsaikan'olona, fakon'olona, karin'olona. / amboa haolo: amboa dia; / amboa kely tiana: enti-milaza olona tiana kokoa noho ny hafa. * Ohab.: Nokekerin'ny am-boa kely tiana: enti-milaza olona navadik'ilay olon-tiany fatratra. / Amboa mifitra: milaza zavatratarihinatsymisy rambaramba. / Amboan'ny malala: enti-milaza olona sakaizan' ny olon-tiana, izay tiana koa araka izany. /Amboan'olona: olona tsinontsinona, tsisy varany. / Amboa tokouato: karazan'alika mpihaza ireo biby milevina anaty tany. j Am boa uahiny: enti-milaza olona mpirenireny, ahiahina ho mpangalatra. / Tsy mana-na amboa akory: olona mahantra fadiranovana. j Amboamboa: enti-milaza fitomboan'ny vatana izay mihadongadonga na botrabotra, indrindra fa eo amin'ny zazakely. * Ohab.: Amboalahy miandry embok'akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena: enti-milaza olona manantena na nampanantenaina zavatra betsaka, nefa diso fanantenana. /Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa: enti-milaza ny mpangalatra izay tsy maintsy manonitra arakaraka ny zavatra nangalariny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel