Dikan'ny teny : ambora

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Hazo mafy sy mateza tsy mety lo ka nanaovan'ny Ntaolo vata fandevenana ny Andriana. Natao fanompoana mihitsY ny fakana ambora ka izay voatendry nefa manao alasafay dia nosazin'ny mpibaiko ka nampilanjainy hazo sendra teny; izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: Todin'ny ambora tsy nentina ka mivongi-kazo tsy fantatra: enti-milaza ny sazy miandry izay manao tsirambina ny adidiny. (Monimiacées tambourissa). • A-zo ampiasaina ho fanaovana gararaka sy fanontsanam-bava koa ny hoditry ny ambora sy ny voany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel