Dikan'ny teny : amby

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny mihoatra: Misy ambiny ireto uoankazo ireto ka hatao ahoana? Omeo an' izay zandriny indrindra ny ambiny. 1 Ampiasaina eo amin'ny filazana isa mihoatra ny isan-tokony folo hatrany, ka eo anelanelan'ny folo sy roapolo, dia ambin'ny no ampiasaina, ary ankoatra an' io kosa, amby fotsiny: Dimy ambin'ny folo. / Telo amby valopolo. / Dimy amby zato. ? F,-p,: Manana amby: misY mihoatra, misy tsy lany; / manana amby ampy: mana-na tombony be dia be, tafahoatra be amin'ny ilaina; / Manana amby tsy ampy: enti-milaza zavatra manan-tombo amin'ny ilany fa tsy ampy kosa amin'ny ilany iray. * Ohab.: Manana amby tsy ampy ohatra ny sola vaohina. / Ambim-bava: ny sisa tafajanona rehefa afaka ny lany tamin'ny sakafo. ~ h,i,: tahiry; / Ambin-draharaha: raharaha manginy kely ivelan'ny tena raharaha; / Ambin-drasa: ny sisa nijanona rehefa vita ny fizarana hena ka tapitra nahazo ny anjarany avy ny olona rehetra eo. / Ambin-javatra: tsy dia zavatra makadiry tsy azo avala fa zavatra madinidinika fanampiny fotsiny. / Ambin'olona: olona tsy dia heverina ho inona loatra fa toa fanao tsentsin-davaka fotsiny. / Ambin-taona: ny vary, ny haninkotrana sisa tsy lany rehefa tapitra ny taon. / Ambin-jaza: zaza teraka taorian' ny nizarana ny fananana amin5reo zokiny talohany. ? h.i.: Izay tsy tiana amin'ny zanaka rehetra ao an-trano, zaza iangarana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel