Dikan'ny teny : ampongalahy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Amponga misy hoditra roa: ny ilany tsy faranana fa avala hikopaka toy ny ravin-tsofina, ny ilany mitovy amin'ny amponga tsotra izao ihany. Ny felatanana havia no mively eo amin'ilay misy sofiny (mikarantsana kokoa ny feony fa manify ny hoditra); ny havanana kosa mively ny ilany amin'ny tsora-kazo kely tokony ho vehana (midoboka kokoa ny feon'io fa matevina ny hoditra aminy). * Ohab.: Axa atao fively ampongalahy ny havana: ny ambaviny tambatambazana, ny andahiny dobodobohana: tsy tokony hasiana fiangarana ny fitiavan-kavana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel