Dikan'ny teny : ampy

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Antonona an'izay ilaina, sahaza: Tsy mbola ampy izao fahaizanao izao fa mbola tokony hianatra ihany ianao. / Efa ampy ny uariko, tompoko, fa misaotra. - t.i.f.: ampiana, anampy / manampy, fanampy, mpanampy / anampiana, fanampiana / miampy / mahampy. ? F.-p.: Ampy fanahy: hendry, mahay mitondra tena. ΒΆ M. h.: manam-panahy. / Ampy mihira: fiteny amin' ny kabary am-panambadiana ka enti-milaza ny zaza hateraky ny mpivady vao voalohany izay fandrihan'ny renin-drazazavavy mialoha fa hotezainy; / ampy misoratra: rti-m laza ireo zaza antonona hodidiam-poitra (ny toy ireny fahizay dia nolazaina fa efa azo soratana amin'ny antokon'ny zaza hatao),; / ampy mizara: enti-milaza zavatra ampy hozaraina tsara ka hahazo ny anjarany daholo izay rehetra eo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel