Dikan'ny teny : anaka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny mitovy tsy misy hafa amin'ny hoe zanaka, saingy tsy fampiasa afa-tsy amin'ireto fombam-pehezanteny manaraka ireto: a) raha misy mpamaritra anarana eo alohany: Efa lehibe anaka Razay. / Maro anaka izy. / Vao maty anaka Rabe. b) raha atao teny enti-miantso: Hendre tsara, anaka. - t.i.f.: mianaka, mpianaka, fianahana / fananahana / ampianahana / mianakavy, mpianakavy / fianakaviana / mpianakavibe. - F.-p.: Manana anaka: manan-janaka vao torontoronina ao an-kibo; / tsy mamono anaka: miaraka amin'izay (dia maty, resy). * Ohab.: Saro-po manana anaka, ka tsy hanan-dray ny ankizy: hahantra izay manary na mandao ny asa na raharaha fanaony noho ny hasosorana kely tsy toy inona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel