Dikan'ny teny : andilana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Valahana, ilay faritra etiety na manify kokoa amin'ny tenan'ny olombelona eo anelanelan'ny taolantehezana sy ny maoja ary toa mampitohy ny tenabe amin' ny rantsambatana ambany. - F,-p,: kely and nana: mahia na miezoeo. * Ohab.: Ny vano no lava tenda, mafy olom-pehezina; ny fangaraka no kely andilana, ny isan-jato no tsy tanty: ny raharaha rehetra — na ny an'ny mpitondra na ny olona entina — dia samy mampiferin'aina ny mpanao azy avokoa (ny isan-jato dia fanompoana izay nifampizaran'ny olona tsizatozato ny manao azy). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel