Dikan'ny teny : andramana

Hampiditra dikany vaovao
1 (andrana), mt, ih. (andramo): Tsapaina kely mialoha: Vao nandramana ilay angady dia tapaka. 1 Fantarina kely ao am-bava ny tsirony: Andramo kely ny siran-daoka, ry Fara a! - F,-p.: Manco mangidy tsy andramana: manombantombana olona na zavatra mialoha ho ratsy, na dia mbola tsy nifampikasoka taminy na nampiasa azy akory aza; mitsara ivelany fotsiny. Ny ohabolana nakana an'io dia hoe: * Aza atao mangidy tsy andramana toy ny hentona: mazàna no rakotra molaly ny hentona, ary ny molaly malaza ho mangidy, ka raha vao mijery ny hentona fotsiny dia milaza azy hoe mangidy ny olona na dia tsy nanandrana akory aza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel