Dikan'ny teny : andriamanitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Anarana niantsoan'ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin'ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy. ~ Ilay lehibe indrindra amin'ireo hery ireo, izay navahany amin'ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra - Andriananahary, ka voalazany fa: a) tsy maintsy inoana: Manao an'Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy; b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona; - d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo f'rjery Andriamanitra ka mahita ny takona; e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin'Andriamanitra ny iray tahitahin'olombelona; f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana; g) Tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy; h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon'ny loha. ~ Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra. tt Ny masoandro, izay lazaina amin'ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel