Dikan'ny teny : andriamatoa

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin'ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankat? Andriamatoa, hoy i dada tamin-d Randriamparany. 1 Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonga namangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy Ianja amin'ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony). 1 Teny fanajana fanao eo alohan'ny anaram-boninahitra entin'ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanĂ nanay. Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben'ny tanĂ na. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel