Dikan'ny teny : androngo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Biby mandady misy tongony efatra, mivelona eny an-tsaha, fa indrindra eny amin'ny tamboho sy ny rindrin'ny trano raya, anaty hazo,... (halavany: eo amin' ny 20 sm) iray karazana: androngo, sitry, antsiantsy, matahotrandro. - t.i.f.: manandrongo. * Ohab.: Androngo milanja lolo: be am-pitondrana fa kely am-pihinanana: tsy arakaraka ny fisehoana ivelany ny lanjam-bidin'ilay zavatra. / Androngo an'asa: (amin'ny tany asaina) ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka: samy mamonjy ny ainy avy raha misy olona miasa tany fa sao tapaky ny angady eo ny rambo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel