Dikan'ny teny : angady

Hampiditra dikany vaovao
1 na Fangady a.: Fitaovana enti-miasa tany, misy lelany vy lavalava maranitra ary zarany hazo, izay mazàna harahara, ka izany no mahatonga ny teny hoe harahara hoenti-milaza koa ny angady. - F.-p.: angady mondro: angady efa ela niasana ka bory kely sisa mijanona. * Ohab.: Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy: zavatra roa mitovy ka tsy tokony hisy hihevi-tena ho voa na mahavoa izay mahazo ny anankiray aminy. / angady be le1a: angady lehibe ny lelany; h.o.: fakana tsy an-drariny, fahihirana maka amin'ny an'olona eo akaikin'ny an'ny tena: Nanao angady be lela tamin'ny taniko Rangahy iny ka tsy hamelako; tsy mampandry fangady: enti-milaza aretimifindra lozantany izay mandripaka ny olona ka vizana foana ny angadY mihady ny fasana. * Ohab.: Mindram-pangady lohataona: maniraka ny tompony hiasa: enti-milaza zavatra izay mampieritreritra ny hafa, mihoatra noho ny fitenenana azy mivantana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel