Dikan'ny teny : angaroa

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavamaneno tsofina, mitovy amin'ny antsiva (akorandriakan - dranomasina) fa kelikely kokoa. Ny mpanjaka ihany fahiny, na izay olona voafidiny, no nampiasana ny angaroa; niavaka tsara teo amin'ny tany ama-monina ny feony satria avo feo nefa malefaka kokoa noho ny antsiva na ny anjombona (fer. ireo teny ireo). * Ohab.: Nandositra ny anjombona ka sendra ny angaroa: nandositra ny loza ka sendra ny antambo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel