Dikan'ny teny : angatra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fisehoan'ny fanahin'ny olona maty — na biby koa aza — izay mihelohelo manodidina ny velona ary mety ho hitan'ny velona mihitsy aza, indrindra amin'ny tarehin'ny afo (jer. Lolo, Matoatoa), - t.i.f.: manangatra. - F.-p.: mamoha angatra: manao ireo fombafomba ma-ro noheverin'ny Ntaolo ary mbola heverin'ny sasany ankehitriny koa ho afaka hampiteny ny angatry ny maty; / masiaka angatra: enti-milaza olona efa maty nefa fatrapampijaly ny velona ny angany; / aza manody, aza manangatra: fomba fiteny mba hiangaviana ny maty — izay sendra voateny amin'ny resaka — tsy hanimba ny velona. Ahitsio
2 a.: Tsy fanaovana ara-ka ny rariny fa manome tombony na hitsiny ny hafa tsy tokony homena, na tsy manome izay tokony home-na; fizarana tsy marina; fitanilana ka misy tombo sy ha-la, misy omena be misy omena kely. (Tsy fampiasa amin' izao fa miaraka amin'ny tsy mandrakariva: Tsy angatra fa mahay kosa aloha ny zana-d-Rasoa e.) - t.i.f,: miangatra, fiangatra, mpiangatra / iangarana, fiangarana. a F.-p.: Manisy anga-potsy sy anga-mainty: miangatra araka ny fisehoana ety ivelany. Ahitsio
3 a.: Aretin'ny fantson' ny lalandrano amin'ny tenan'ny olombelona, izay vokatry ny mikraoba iray azo avy amin'ny fahalotoam-pitondran-tena. - F.-p.: angaboribory: karazan'angatra mahatonga hampihantona ny fivalanan-drano sy ny fivalanana; / angamamy: aretina mpahazo ny ankizy fatra-pihinan-java-mamy, mahatonga azy hahatsiaro mangirifiry rehefa mivalan-drano; / angamaty: fahamafisan'ny aretin'ny angatra tonga amin'ny heriny mafy indrindra ka tsy mahavalandrano intsony izay voany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel