Dikan'ny teny : angely

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Bibikely tokony ho 3sm ny halavan'ny vatany, mikiririoka mankarenin-tsofina amin'ny alina. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Ny angelivavy dia atao hoe kabatita na kabanty; ny feon'ny angely andavanandro dia atao hoe fikiririoka fa fiuolana kosa rehefa hiady izy. Rehefa miady iny ny angely ka misy iray ho resy, dia mamoaka feo hafahafa izay ilay io, ka izany no atao hoe mamela volana. Bibikely fatra-piady ny angely ka ny mampirisika azy ireny hiady no atao hoe mikitra angely. * Ohab.: Aza manao fikitra mampiady angely: aza mampirisika olona hlady. / h.o.: Olona ratsy fitondran-tena, izay atao hoe angelin'olona. ΒΆ M.h.: angelingely, akanga, angatra, karandahy, mpiliba, mpanaram-po. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel