Dikan'ny teny : ankizy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny ilazana ny zaza na ny olombelona mbola kely ankapobeny: Indraindray saro-pantarina ny ho auin'ny ankizy. (t Teny ilazana rehefa mety ho zanaka, na dia efa mitokan-trano ara, raha mbola velona ray amandreniny: Ireto ankizy ireto koa manahirana, hoy Rainikoto tamin-dRasoa vadiny, mantsy an-dRakoto mivady. 1 Teny nilazana taloha, amim-pomba mitory halemem-panahy, nympanompo, ny andevo: Noheverin-dRabe ho Ikotovao ankizy fahiny i~ lay nifanena taminy, kanjo hay tsy izy. 1 Ankehitriny, teny ilazana ny vady amanjanaka, ny vady (vehivavy): Lasa any an-tsena ny ankizy ka mangingina ny trano. - F.-p.: Ankizy madinika: ireo zaza mbola kely, ry Koto kely sy ry Bozy na Ketaka; / Ankizilahy na ankizivauy: ireo zaza efa lehibebe, sakan-jaza; / ankizilahimadinika: teny nilazana fahiny an' ireo olona nahatoky ny Praiminisitra, ny dekà; / ankizimahatsoakafo: teny nilazana fahiny ihany koa an'ireo olona manana ny ampy teo amin'ny fiainana, efa manambola, mana-mpanompo, mahavelon-tena tsara. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel