Dikan'ny teny : antandroy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Foko lehibebe amin'ny tendron'i Madagasikara atsimo indrindra mitoetra amin'ny tany voafaritry ny ony Menarandra, andrefana; Mandrare, atsinanana, ary ny havoana Vohimainty, avaratra. Ny anarany dia avy amin'ny hoe "androy", karazan-draketa be ranony, izay hany zavamaniry azo hanina amin'io tany ngazana sy maina mandavan-taona io. TanĂ n-dehibebe: Ambovombe, Beloha. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel