Dikan'ny teny : antitra

Hampiditra dikany vaovao
1 p.a. na a.: Be taona, e-la niainana: Efa antitra dia antitra i dadabe fa ila tsy afaka mandeha intsony. • Zavamaniry fihinana toy ny katsaka, tsaramaso, mangahazo... efa azo hanina, tonga amin'ny fotoana efa ahazoana mihinana azy: Efa antitra ireto mangahazo ireto fa hadio. ? (loko) Tsy matsora, fa matevintevina: Soloy manga antitra it? lambam-baravarankely • Lany andro, tsv fampiasa intsony: Efa lamaody antitra izany dihinareo izany, hoy i Koto tamindRainy. ¶ M.h.: Antitra, tranainy, goga, konka, golagoay. - F.-p,: Anti-panahy, antitsaina: entina hilazana olona manana toetra na fisainana hendry, matotra; / trara antitra: teny fiarahabana andriana fahizay ary mbola fampiasa koa ankehitriny rehefa hanao veloma mba ho firariana ho ela velona; / ny mamerina indroa manana ny an-titra: fitenenana enti-milaza fa ny fiverimberenan-javatra dia mety hahasoa (nalaina avy amin'ny fomba fandokoana lambamena izay handroina ao anaty rano-nato ka raha tiana ho antitra tsara ny lokony dia averina indroa indray izany). - t.i.f.: anterina 1 manantitra, manantitrantitra 1 miantitra, mifanantitra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel