Dikan'ny teny : arahaba

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fomba anehoana ny fanajana olona raha vao mifankahita aminy voalohany: Raha vao vita ny arahaba dia nitarika ny resaka ingahy Rabetrena ? Teny enti-milaza fiderana olona iray noho ny soa azony na zava-dehibe vitany: Nitomandauana nanaraka ny arabe ny olona nanolotra ny arahaba an'ilay vao nahazo ny fahaleovan-tena ho an'ny Nosy. - t.i.f.: Arahabaina, voarahaba ( miarahaba, fiarahaba, mpiarahaba j iarahabana, fiarahabana / maharahaba, mifampiarahaba. - F. -p: Ireto avy ny teny fiarahabana teo amin'ny Ntaolo: Raha misy teraka: Arahaba nomen'Andriamanitra ny Tara; raha misy mampaka-bady: Arahaba nahazo tokantrano; raha narary ka sitrana soa aman-tsara: Arahaba sitran'ny teritery nanjô; raha nisy tonga avy lavitra: Arahaba tonga soa; raha tojo ny taom-baovao: Arahaba tratran'ny taona na Arahaba ho arivo tratran'ny taona; raha nisy saika niharan-doza ka voavonjy soa aman-tsara: A-rahaba tsy maty fo aman'aina na Arahaba nieren'ny loza amin'antambo; raha nisy vehivavy afa-jaza: Arahaba tsy nanao takalo kely; raha nisy naharesy an'ady amin'ny fitsarana: Arahaba nahazo ny rariny; raha nisy fisondrotam-boninahitra: Arahaba nahazo uoninahitra; raha nisy olona nampinomina ka velona soa aman-tsara: Araha ba nomen'Andriamanitra ny hitsiny; raha nisy hasoavanjaza, ny olona rehetra dia tsy nifanao akory fa nosoloana hoe: Arahaba ririnina 2! Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel