Dikan'ny teny : araka

Hampiditra dikany vaovao
1 ft.: milaza fiarahana, firaisan-kevitra, firindrana amin'izay atao, fitakiana zavatra sy fanaraha-maso, - t.i.f.: Arahina, voaraka, tafaraka j manaraka, fanaraka, mpanaraka/ anarahana, fanarahana 1 miaraka, fiaraka, mpiaraka ) iarahana, fiarahana. Ahitsio
2 ppk.: Enti-milaza fifanarahana, fifandraikana amin-javatra iray, fitovitoviana: Vonona hanao araka ny teninao aho, ry dada. Hovaliana araka ny nataontsika avy isika. ra F,-p: Araka afo; haingana dia haingana, miaraka amin' ny vava, miaraka amin'izay: Ataovy araka afo ny fitakiana ny trosanao fa tsy ho azonao intsony iny raha angatahanao andro; / Ara-kaizina, araka aloka: fomba fanaon' ny jiolahy hitadiavany ny maizimaizina lalandava hanafenany ny ratsy vitany; / A-ra-jaza: fanarahana zaza efa nofandrihana mialoha fa hobeazin'ny tena; / Ara-joky: arakaraka ny fizokiana; / A-ra-miritra: enti-milaza olona maty an-drano teo am-pamonjena olon-kafa maty andrano, na olona nirahina hanaraka iraka hafa tsy mbola niverina; / Ara-keviny: tsy a-tao maty paika fa araka ny vinavina tokony ho izy fotsiny: Tsy misy mizana fa ataovy ara-keviny fotsiny eo ny fizarana ny hena. / Arakevitra: atao mifanaraka amin'ny: Ara-kevitry ny andro niasana no hanomezana ny karama; / Ara-dova: ady fanarahana lova; / Ara-dreniny: ny fitambaram-peo-naoty maro atao amin'ny zavamaneno. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel