Dikan'ny teny : ariary

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Anaran'ny vola izay nataon'ny Malagasy ho venty na fototry ny volany fahizay, ka ny sandany dia 4, 80 frs tany aloha ary 5, O0frs taty aoriandriana. Ny ariary no novakina ka nahazoana ny vola madinika na vakim-bola rehetra: ny 1/2: loso; ny 1/3: sasanangy; ny 1/4: kirobo; ny 1 /6: venty ; ny 1/8: sikajy; ny 1/72: eranambatry. Matetika no hafohezina ho ary fotsiny ny teny hoe ariary raha miaraka amin'ireto teny ireto: zato, folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa: Ary zato, ary folo..., mitovy amin'ny hoe: ariary zato, ariary folo... * ohab.: Voamena maniho ariary: Zavatra kely mahavery ny be; / Manao ariary zato am-pandriana: Manao tetika be an'eritreritra, izay mazàna tsy mifanaraka amin' ny zavatra mety hisy akory. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel