Dikan'ny teny : arivo

Hampiditra dikany vaovao
1 p.i.: Zato impolo (1000) Hi.: Be dia be tsy hita isa: Maso ariuo no indray nifantoka teny amiko ka saika safotra aho. a F.-p.: Ny arivo lahy tsy maty indray andro: teny nataon'Andrianjaka raha nametraka miaramlla arivo lahy tao Antananarivo izy; io fitenenana io koa anefa dia lazain'ny maro fa mety hilaza ny faharetan'ny olona maro manatri-maso zavatra iray, fa raha vavolombelona arivo tokoa mantsy tsy ho faty indray andro akory. - t.i.f.: Manarivo, mpanarivo, arivoara. - F.-p.: An'ariuo, ariuoariuo, ariuomiaina: tsy hita isa, tsy tambo isaina ΒΆ M.h.: Alinalina, tsy omby alinalina. ! Alimiaina, zavon-tany, manetrinketrina, tsy hita zambazamba. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel