Dikan'ny teny : ary

Hampiditra dikany vaovao
1 p. mt.: Enti-milaza toerana sady tsy hita no lavitra: Ar? andrefan'ny sekoly no mipetraka izahay. Ahitsio
2 ppt.: Entina mampitohy ny anarana na ny mpamaritra anarana na ny matoanteny voalaza farany amin'ireo eo aloha raha ohatra ka misy maro voatanisa: Ny akoho sy ny vorona ary ny ondry./ Vizana sy reraka ary kivy irahay nony tafaverina tsy na-haro na inona na inona. / Mihinana sy misotro ary mandihy. • Mampitohy fehezankevitra na fehezanteny anankiroa: Miteny ny mpampianatra ary mihaino ny mpianatra • Mampitohy ny fehezankevitra farany amin'ilay voalohany amin'ny ady lojika: Manidina ny vorona rehetra, ary vorona ny akoho, koa amin'izany man?dina ny akoho, Ahitsio
3 a.: Taova iray tarika amin' ny mosavinkena ka mandevona ireo faikafaika avy amin'ny fiasan'ny tena entin' ny ra ao aminy. Ahitsio
4 p.t.: Misy: Ary isika noho ny fahefan'ny mpahary. ? Manana: Efa ary nify ny zanako, - t.i.f,: Arina, voary / mahary, fahary, mpahary / ahariana, fahariana. - F.-p.: Ary fady: enti-milaza ny zavamananaina ao ankibon-dreniny izay efa tomombana tsara ny toe-tenany. / Ary fanaka: manam-panaka, manana ny ilaina rehetra amin'ny tokantrano. / A-ry fanahy: von,. saina, efa a.-faim mieritreritra. / Ary fenitra: enti-milaza asa na raharaha tsars fiandoha ka misosa sy tomombana tsara. ) A-ry fomba: tomombana amin' ny maha-izy azy, izany hoe ao aminy daholo izay ilaina mba hahalavorary azy. / Ary tongotra aman-tanana: milaza ny zaza vao mitsaika efa misy tongony sy tanany. / A-ry vatana fa tsy ary fanahy: lehibe vatana fa tsy misy saina. ¶ M.h.: Donga vatana fa botry saina. / Mahatsangy no ary (jer. Tsangy). ? h,o.: Enti-milaza ny zanaka izay tsy miankina amin'ny ray amandreniny intsony no sady mahavelo-maso ny voninahitr' izy ireo koa. Ahitsio
5 (jar. AriarY). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel