Dikan'ny teny : atao

Hampiditra dikany vaovao
1 (tao) mt. at (ataouy): Karakaraina sy vitaina: Ataouy ny raharahanao fa aza be resaka eo. • Anamboarana: Hataoko latabatra ity hazo tsara tarehy • Ampiasaina ho: Notaony mpampianatra ny zanany aho. • Apetraka: Teto no nataoko ny satroko, nefa mahagaga fa tsy hitako eto intsony. • Ampidirina: Natao an-tranomaizina ilay mpangalatra. • Ahosotra, apetaka: Fanafody a-tao amin'ny tongotra. • Heverina: Nataoko ho efa vitanao ny fafa trano, • Antsoina: Fantatrao ve ilay zaza atao hoe: Isambilo? Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel