Dikan'ny teny : aza

Hampiditra dikany vaovao
1 p. mt.: Enti-mandrara tsy hanao zavatra: Aza mikiakiaka mankarenin-tsofina eo ianareo, rankizy a. • Enti-mirary mba tsy ho voa, mitovy amin'ny hoe enga anie tsy...: Aza manody ny taranako sy ny taranakao izany! 1 Entimanohana zavatra mba tsy ho tonga, tsy hisy: Aza tsiny raha manapaka ny teninao aho. - F.-p.: Aza fady: teny fialan-tsiny raha hanao zavatra tsy mety nefs tsy maintsy a-tao, na raha avy manao zavatra tsy mety, vita tsy nahy: Aza fady fa hialoha anao a-ho, tompoko. Aza fady fa uoadonako ianao. / Aza loza: enga anie ka tsy hahitako loza. / Aza maty anie aho: teny fialan-tsiny ary fangataham-pamelana tamin'ny hadisoana natao, indrindra raha zavatra tsy niniana natao. ¶ M. h.: Matesa anie aho. / Aza any izany, aza anie izany, aza misy anie izany: enga anie ka tsy ho avy izany! Sanatria anie izany. / Aza tsiniko: mitovy amin'ny hoe "aza fady". / Aza manody: fomba firariana mba tsy hahavoa ny hafa izay mahazo ny tena. Ahitsio
2 p. mt.: Teny miaraka mandrakariva amin'ny hoe na dia izay mialoha azy ka enti-milaza fiaikena: Na dia mahantra aza izy, tsy mba mangalatra na oviana na oui-ana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel